Nitombo 10 taona ny halavan'ny andro iainana amin'ny ankapobeny aty Afrika, teo anelanelan'ny taona 2000 hatramin'ny taona 2019, araka ny nambaran'ny Sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana (OMS), tamin'ny alakamisy 4 aogositra lasa teo. Azo lazaina ho fandresena lehibe ho an'ny kaontinanta afrikanina izany, raha jerena ny zava-misy manerana izao tontolo izao. Raha ny salan'isa ankapobeny mantsy dia 5 taona no salam-piakaran'ny taham-pahavelomana maneran-tany.

Marary ho ao amin' ny CSB Sakaraha Faritra Atsimo Andrefana
Salan-taonam-pahelana velona maneran-tany
Araka ny tatitra navoakan'ny OMS dia 56 taona ny salan-taonam-pahavelomana ao anaty fahasalamana aty Afrika tamin'ny taona 2019, raha toa ka 46 taona izany tany amin'ny taona 2000. Na izany aza anefa dia mbola ambany io halavan'ny andro iainan'ny Afrikanina io raha mitaha amin'ny salan-taonam-pahelana velona ankapobeny maneran-tany, izay 64 taona. Ny fanatsarana ireo tolotra ara-pahasalamana fototra, ny fivoarana nisy teo amin'ny fandraisana an-tanana ny fahasalamana ara-pananahana ary ny fandraisana an-tanana tsaratsara kokoa ny reny sy ny zaza no isan'ny antony nahatonga io fiakaran'ny taham-pahavelomana io taty atsimon'i Afrika. Teo ihany koa ny fivoarana tsapa teo amin'ny ady amin'ireo areti-mifindra toy ny VIH, ny raboka sy ny tazomoka. Ny fiakaran'ny taham-pahelana velona ao anaty fahasalamana, nandritra ny roapolo taona farany, dia manaporofo ny finiavan'ny faritra (Afrika) hampivoatra ny fahasalaman'ny mponina ao aminy », hoy dokotera Matshidiso Moeti, talem-paritry ny OMS aty Afrika.

Aretina fahadimy mampiditra hopitaly eto Madagasikara ny tazomoka
Niakatra ny tahan'ny aretina tsy mifindra
Etsy an-daniny anefa, araka ny nambaran'ny OMS hatrany, dia nitombo be ny tahan'ny olona tratran'ny aretina tsy mifindra, toy ny fiakaran'ny tosidra sy ny diabeta. Tsy ampy ihany koa ny sampan-draharahan'ny fahasalamana miompana amin'ireo aretina ireo aty Afrika. Tsy vitan'izany fa mety hanaratsy izao vokatra tsara efa azo izao ny fisian'ny valan'aretina covid-19, raha tsy misy ny paikady matotra apetraky ny isam-pirenena mba hanarenana ny fiantraikany. Raha ampitahaina amin'ny firenen-kafa mantsy dia taty Afrika no nisy olana kokoa ny fandraisana an-tanana ny marary, nandritra ireny fotoana tena nampirongatra ny covid-19 ireny. Ny 90% tamin'ireo firenena 36 nanaovan'ny OMS fanadihadiana, tamin'ny taona 2021, no nilaza fa tsy tomombana ny asan'ireo sampan-draharaham-pahasalamana miandraikitra ireo tolotra ara-pahasalamana fototra. Tafiditra ao anatin'izany ny fanaovam-bakisiny ny zaza sy ny momba ny fanjariantsakafo.

Crédit photo : Minisiteran’ ny fahasalamam-bahoaka
Tetibola ho an'ny fahasalamana
Nanamarika ny avy eo anivon'ny OMS fa paikady iray ahafahana manatsara hatrany ny tolotra ara-pahasalamana, ny fampihenana ny vola mihoa-pampana atokan'ny tokantrano ho an'ny fitsaboana, ka ny Fanjakana no tokony hiantoka ny ampahany betsaka amin'izany. Rehefa latsaky ny 10% amin'ny vola miditra amin'ny tokantrano iray ny vola ampiasainy ho an'ny fitsaboan-tena, dia izay izy no sokajiana ho tsy mihoa-pampana, na manahoana na manahoana ny taham-pahantrany. Ny ankamaroan'ny governemanta aty Afrika anefa dia tsy mamatsy ny 50%-n'ny tetibola manontolo atokana ho an'ny fahasalamana akory, fa ny fianakaviana tsirairay no miantoka izay hitsaboany tena, amin'ny ampahany betsaka, na manontolo. Ho an'i Madagasikara manokana dia ny mpiara-miombonantoka ara-teknika sy ara-bola no mamatsy ny 70% hatramin'ny 80%-n'ny tetibola ho an'ny fahasalamana.
Araka izany dia miantso ireo firenena rehetra aty Afrika mba hisoroka ny olana ara-bola izay mety hampihemotra ny ezaka efa vita eo amin'ny lafiny ara-pahasalamana ny OMS. Mamporisika ihany koa ny hitondrana fanavaozana eo amin'ny tolotra ara-pahasalamana, ka hampandraisina anjara ao anatin'izany ny vondron'olona ifotony sy ny sehatra tsy miankina. Tsy tokony atao ambanin-javatra, hoy hatrany ny OMS, ny fametrahana fomba fanaraha-maso, mba ho hita avy hatrany ireo ambana mety hihatra amin'ny sehatry ny fahasalamana sy ny olana misy eo amin'ny rafitry ny fahasalamana.
Comments