Efa nametraka ireo paikady rehetra ho fiarovana ny vahoaka manoloana ny aretina nendran-gidro, na "variole du singe" ny fitondram-panjakana, hoy ny profesora Fidiniaina RANDRIATSARAFARA, Tale Jeneralin'ny Fisorohana ara-pahasalamana (DGMP) eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka androany, tao anatin'ny horonantsary navoakan'ity Ministera ity.

Hamehan'ny fahasalamam-bahoaka
Miteraka fitaintainana eo amin'ny olona maro ny mety hahatafidiran'ny aretina nendran-gidro eto Madagasikara, indrindra taorian'ny namoahan'ny gazety mpiseho isan'andro iray, fa efa mandondom-baravarana eto amintsika ity aretina ity. Efa nisy tranga mampiahiahy mantsy tsikaritra tao amin'ny nosy Maorisy. Tetsy an-daniny, ny sabotsy 23 jolay 2022 dia nanambara i Tedros Adhanom Ghebreyesus, tale jeneralin'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana (OMS), fa efa hamehan'ny fahasalamam-bahoaka maneran-tany ny nendran-dragidro ankehitriny.

Tedros Adhanom Ghebreyesus, tale jeneralin'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana (OMS)
Tsy mbola hita eto Madagasikara
Efa mananika tsikelikely ny roa alina tokoa mantsy ny trangan'aretina hita manerana izao tontolo izao ary firenena 74 no voakasika. Any Eoropa no tena ambony ny taham-pifindrany fa azo lazaina ho antonony ihany ny ambana ho an'ny firenena hafa. Nanamafy moa ny profesora Fidiniaina RANDRIATSARAFARA fa tsy mbola ahitana an'ity aretina ity eto amintsika. "Efa miomana amin'ny paikady ahafahana mitily ny fanjakana, na eny amin'ny seranam-piaramanidina, na eny amin'ny tobim-pitsaboana fototra, na eny amin'ny hopitaly, izay efa mahafantara ireo famaritana ny olona ahiana ho mitondra izany tsimokaretina izany", hoy ny nambarany.

Profesora Fidiniaina RANDRIATSARAFARA (sary: MSANP)
Lehilahy miaraka amin'ny lehilahy
Raha ny voka-panadihadiana natao tamin'ny firenena 16 ahitana ny nendran-gidro, ary navoakan'ny gazety boky New England Journal of Medicine, dia tamin'ny alalan'ny fifampikasohana ara-nofo no nampifindra ny 95%-n'ireo trangan'aretina. Lehilahy miaraka amin'ny lehilahy, na lehilahy sady miaraka amin'ny vehivavy no miaraka amin'ny lehilahy, ny 98% amin'ireo tratran'ity aretina ity.
Tsy aretina vaovao akory anefa ny nendran-gidro, fa efa tamin'ny taona 1958 no nahitana azy tamin'ny gidro taty amin'ny faritr'i Afrika. Tamin'ny taona 1970 kosa no nahitana voalohany ny trangana fifindran'ny aretina teo amin'ny olombelona. Na izany aza anefa dia nanamafy i Margaret Harris, mpitondra tenin'ny OMS, tamin'ny talata 9 aogositra lasa teo tany Genève, fa tsy avy amin'ny gidro akory ny fiparitahan'ny aretina misy amin'izao fotoana io fa avy amin'ny fifamindran'ny samy olombelona. Manameloka ny fandripahana ny gidro, tahaka izay nitranga tany Brésil, noho izany ny OMS.

Tsara ny mahafantatra fa tsy mora mifindra sy tsy mampidi-doza miohatra amin'ny nendra tsotra ity nendran-gidro ity, na mampatahotra kokoa aza ny fahitana ireo kibontsimbontsina, izay fomba fisehony hita eny amin'ny hoditra.
Comments