top of page

Tatitra momba ny VIH/SIDA 2022 : 4 000 isan'andro ny marary vaovao

Photo du rédacteur: Marigny ANDRIANTSOAVAMarigny ANDRIANTSOAVA

️Isan'ny nahitana taham-piakaran'ireo olona miaina miaraka amin'ny VIH i Madagasikara, nanomboka tamin'ny taona 2015, raha ny voalaza ao anatin'ny tatitra vao navoakan'ny Firenena Mikambana (ONUSIDA). Tahaka izany koa i Philippines, Congo ary ny any atsimon'i Soudan. Mihena kosa ny tahan'ny olona tratran'ity otrikaretina ity ao Afrika Atsimo, Nigéria, Inde sy Tanzanie. "Danger", na " Loza" moa no lohateny nampitondraina ity tatitra 2022 ity, satria dia voalaza ao fa mampanahy ny momba ny toe-java-misy eran-tany ankehitriny, raha ny fisorohana sy fandraisana an-tanana ny VIH/SIDA.





Mihamidangana ny isan'ny olona miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA, raha ity tatitra ity no jerena :

✅ Olona vaovao miisa 1,5 tapitrisa no heverina fa tratran'ny otrikaretina VIH tamin'ny taona 2021

✅ Olona 4 000 isan'andro no tratran'ny VIH

✅ Olona iray isa-minitra no mamoy ny ainy noho ny antony mifandraika amin'ny VIH/SIDA, izany hoe : olona 650.000 isa no heverina fa matin'ny SIDA nandritra iny taona 2021 iny.

Saika nitombo avokoa ny isan'ny olona miaina miaraka amin'ity aretina ity maneran-tany, eny na any amin'ireo firenena izay efa mba nahitana fihenan'izany aza teo aloha.


Mihena ny tohana ara-bola

Raha mihamitombo ny isan'ny olona miaina miaraka amin'ny otrikaretina VIH/SIDA dia mihena kosa anefa ny teti-bola ho entina misoroka sy miaro ary mandray an-tanana ireo olona voany. Araka ity tatitry ny Firenena Mikambana ity dia ny tohana ho an'ireo firenena sahirana toa an'i Madagasikara no tena nahitam-pihenana, ka latsaka hatramin'ny 6% izany raha ampitahaina amin'ny tohana azo ho an'ny taona 2010. Anton'izany lehibe indrindra ny fisian'ny valan'aretina covid-19. Manampy trotraka azy ihany koa anefa ankehitriny ny ady any Ukraine. "Am-bava loza ny ady atao amin'ny fifindran'ny aretina Sida, hoy Winnie Byanyima, tale mpanatanteraky ny ONUSIDA (...) Mora mifindra ao anatin'ny valan'aretina Covid-19 anefa ity aretina ity, ao anatin'ny fifindra-monina be ary ao anatin'ny krizy isan-karazany. Tokony hotsaroantsika ireo fahafatesan'olona azo ialana izay ezahantsika ny hisoroana azy", hoy hatrany izy.


Fitaovam-pitiliana mora

Misy ihany kosa anefa ireo vaovao tsara nasongadin'ity tatitry ny ONUSIDA 2022 ity. Isan'izany ny fidinan'ny tahan'ny olona vaovao tratran'ny aretina VIH any Afrika avaratra sy Afrika afovoany ary Caraïbes. Na izany aza anefa, ahiana ihany ny voka-draty ateraky ny tsy fahampian'ny tohana ho an'ny ady amin'ity aretina ity any amin'ireo firenena efa mba nahitam-pahombiazana ireo.

Vaovao tsara iray navoakan'ity tatitra ity ihany koa ny hivoahan'ny fitaovana azon'ny tsirairay ampiasaina hanaovana fitiliana, na "autotest", izay hamidy amin'ny sarany 1 dôlara ny iray. Isan'ny mora indrindra amin'ireo fitaovam-pitiliana eken'ny OMS izy io, ka ireo firenena sahirana toa antsika no iantefany. Vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny Clinton Health Access Initiative (CHAI), MedAccess ary Wondfo Biotech Company ity fitaovam-pitiliana mora ity.


Heverina fa hanampy betsaka amin'ny fampiroboroboana ny fisorohana ny fiparitahan'ny VIH/SIDA ny fampiasana ny "autotest", noho izy mora ampiasaina no sady miantoka ny tsiambaratelon'ny olona atao fitiliana. Azo inoana ihany koa fa handrisika kokoa ny olona hahasahy hitily ny tenany ity fitaovana ity, indrindra ho an'ireo izay tsy vonona ny hanao fitiliana amin'ny fomba hafa efa nampiasaina hatramin'izay.

Tsara ny manamarika fa manodidina ny 40.000 no isan'ny olona heverina ho miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA eto Madagasikara, raha ny antontan'isan'ny komitim-pirenena miady amin'ny Sida (SE-CNLS), tamin'ny taona 2019. Ny 12% amin'ireo ihany anefa no voaara-maso sy manaraka fitsaboana.



3 vues0 commentaire

Comments


Formulaire d'abonnement

Merci pour votre envoi !

© 2022 par La Balise MG. Créé avec Wix.com

bottom of page