top of page

VIH/SIDA eto Madagasikara : 2.000 mahery no voa tamin'ny taon-dasa

Photo du rédacteur: Marigny ANDRIANTSOAVAMarigny ANDRIANTSOAVA

Tombanana ho manodidina ny 42.000 ny isan'ny olona miaina miaraka amin'ny tsimokaretina VIH/SIDA eto Madagasikara. Rehefa natao anefa ny fitiliana dia manodidina ny 9.000 isa ankehitriny no fantatra fa mitondra ity tsimokaretina ity eto amintsika, izany hoe : misy elanelana be ny tombana sy ny zava-misy, hoy ny avy ao amin'ny komitim-pirenena miady amin'ny Sida, na ny SE-CNLS. Raha marina ny tombana, hoy Rasoanarivo Jasminah, sekretera mpanatanteraka mpisolo toerana eo anivon'ity komity ity, dia misy olona marobe izany any, tsy mahalala ny toe-pahasalamany, nefa tratran'ny VIH.


Ekipan'ny SE-CNLS, tarihin'ny sekretera mpanatanteraka, Rasoanarivo Jasminah


Paikady telo hitiliana ny VIH


Mba hahitana ireo olona heverina fa miaina miaraka amin'ny tsimokaretina VIH/SIDA ireo dia nametraka paikadim-pitiliana telo ny SE-SNLS. Eo aloha ny fanaovana fitiliana ny tena, izay eo an-dalam-panandramana ankehitriny, mialohan'ny hanaparitahana ny fitaovam-pitiliana manerana ny fivarotam-panafody. Eo ihany koa ny fanatonana ireo vondron'olona ifotony marefo ary ny farany dia ny fitiliana ireo olona akaiky sy mifandray amin'ireo nahazo valim-pitiliana miabo. Nilaza moa ny Firenena Mikambana (ONUSIDA), tao anatin'ny tatitra vao navoakany tamin'iny herinandro lasa iny, fa isan'ireo firenena nahitana taham-piakaran'ny olona tratran'ny VIH/SIDA i Madagasikara, nanomboka ny taona 2015 no mankaty. Mety ho antony nahatonga io fiakaran'ny salan'isa io ny fampiharana ireo paikady telo ireo, hoy Rasoanarivo Jasminah.


VIH/SIDA latsaky ny 1%


Na eo aza anefa izany dia tsy mbola mampanahy be tahaka izay hita any amin'ny firenen-kafa ny zava-misy eto Madagasikara. Mbola ambanin'ny 1% mantsy ny tahan'ny olona miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA eto amintsika, ary mbola any amin'ny 0,30% latsaka kely izany, ho an'ny mponina amin'ny ankapobeny. Eto amintsika, hoy hatrany ny sekretera mpanatanteraky ny SE-CNLS, dia mitangorona eo amin'ireo vondron'olona marefo ity aretina ity dia :

  • Ny lehilahy miaraka amin'ny lehilahy, amin'ny taha 15%

  • Ny mpitsindrona zava-mahadomelina, amin'ny taha 7%

  • Ny mpivaro-tena, amin'ny taha 5%

Efa mihinana fanafody "antirétroviraux" na ARV avokoa ny 98%-n'ireo olona fantatra fa miaina miaraka amin'ny VIH eto amintsika. Tsara rahateo ny manamarika fa rehefa mahavatra mihinana ny fanafody sy voaray an-tanana ara-pitsaboana tsara ny olona mitondra ny VIH dia afaka miaina mitovy amin'ny olona rehetra ihany. Nanamarika ny avy eo anivon'ny SE-CNLS fa maimaim-piana izany fanafody izany eto amintsika ary mbola ampy tsara ny tahiry manerana ny Nosy, na dia voalazan'ilay tatitra navoakan'ny ONUSIDA aza fa mihena ny tohana momba ny ady amin'ny Sida, izay azon'ny firenena sahirana toa antsika. Misy amin'ny fanafody entina mitsabo ireo aretina mpanararaotra mety miseho amin'ny olona tratran'ny VIH/SIDA ihany koa no omena maimaim-poana ho an'ny marary.


VIH/SIDA eo amin'ny tanora


Momba ny fanentanana sy ny fampahafantarana momba ny VIH/SIDA indray dia mananosarotra kokoa izany eo amin'ireo tanora. Ny ankamaroan'izy ireo dia matahotra kokoa ny aretina hafa azo avy amin'ny firaisana ara-nofo sy ny vohoka tsy niriana, raha ny nambaran-dRasoanarivo Jasminah. Mila hamafisina ny fanentanana sy ny fampahafantarana ho an'ireo tanora ankehitriny, hoy izy, mba hahalala ny marina momba ny Sida, tahaka ireo zoky teo aloha ihany koa ireo tanora vao misondrotra. Ny tatitry ny Firenena Mikambana momba ny Sida 2022 moa dia nilaza fa ny tovolahy sy tovovavy eo anelanelan'ny 15 hatramin'ny 25 taona, no voakasiky ny 250.000 isa amin'ireo trangana VIH vaovao maneran-tany, voatily tamin'ny taon-dasa, izay miisa 1.500.000.


Ho an'i Madagasikara manokana, raha ny antontan'isa avy amin'ny SE-CNLS, dia 2.190 no trangana VIH hita taorian'ny fitiliana, ho an'ny taona 2021. Manodidina ny 500.000 kosa no isan'ny fitiliana vita eto amintsika isan-taona.


5 vues0 commentaire

Comments


Formulaire d'abonnement

Merci pour votre envoi !

© 2022 par La Balise MG. Créé avec Wix.com

bottom of page