Vao tsy ela akory izay no nivoaka ny boky " Vahindanitra", amboarankalo nosoratan'i Riva. Mampahafantatra ny ambangovangon'ity asasorany ity izy no sady mitondra ny fomba fijeriny ny tontolon'ny boky sy ny vaky boky ihany koa, ao anatin'izao vanim-potoana mampiroborobo ny teknôlôjia izao.

La Balise MG (LB) : Iza moa i Riva ?
Riva (RV) : Riva Ando Andriamalala, poeta sy mpanoratra mpiraifaribolana Sandratra. Zanaky Bongolava, niray petsapetsa tamin'ny haisoratra nanomboka ny taona 1999. Manoratra tononkalo, riankalo ary sombintantara. Notolorana ny Chevalier de l'Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture tamin'ny taona 2019.
LB : Namoaka ofisialy ny amboaran-kalo "Vahindanitra" ianao ny 02 desambra 2022. Azonao lazaina ve ny mombamomba azy io ?
RV : Vahindanitra, boky faha 8 navoakako manokana ankoatra ireo niarahana tamina poeta namana. Amboaran-tononkalo faha 5 fa sombintantara ny 3 hafa. Misy tonokalo 91 no raiketin'ity amboara Vahindanitra ity, ao anaty pejy 123 izay nozaraina ho lohahevitra 5 :
Ady, Ratra, Sento, Alahelo...
Embona sy Hanina
Alina, Lanitra, Nofy, Hasambarana...
Fahendrena sy Fanantenana
Hira, Mozika, Dihy...
LB : Inona marina moa no dika sy hevitra fonosin'ilay hoe : "Vahindanitra" ?
RV : Vahindanitra (Voie lactée) : Antokon-kintana tsy hita isa mifanakaiky ka toa mitankosina fotsy ary manaraka faritra lehibe lavalava ka mova tsy toy ny vahy mandadina eo afovoan'ny habakabaka. (Rakibolana malagasy)
Vahindanitra satria :
- Hatsarana, hatsarana eny an-danitra, ary hatsarana tsy bolongan-tokana fa avy amina loharano lehibe samihafa.
Izany hoe : mifangaro ao ny aingam-panahy maroloko anaty lohahevitra samihafa ; aingam-panahy notovizna tamin'ny hita sy ny re ary ny tsapa mbamin' ny nofy teny an-dalan'ny fotoana, notefena sy niangaliana tamin'ny talenta sy fitrandrahana mbamin'ny fifampizarana maro, ho tonga kanto manaka-danitra sy ho habaka lehibe hivelaran'ny fanahin'ny mpianoka azy.
- Toa vovo-kintana tsy inona akory nefa dia galaksia iray manontolo, na izany aza dia mitoetra ho zava-bitika anoloan'ny onivera manontolo.
Izany hoe :
Toa boky kely tsy inona akory fa mirakitra dadasi-kanto tsy hita noanoa, nefa dia mitoetra ho zava-bitika ihany anoloan'ny hatsarantarehy lafatry ny poezia sy literatiora.

LB : Inona no no lohahevitra tena manainga fanahy anao ?
RV : Azo akapoka amin'ny hoe Fitiavana, Fiainana andavanandro, Kalo, Fanabeazana ny maha olona. Ny zavatra rehetra hitako eny amin'ny fiainana andavanandro eny ihany no manainga fanahy ahy. Mety fiainako, mety fiainan'olona... Mety ho nofinofy koa indraindray. Misy ampahany niainako ireo voasoratra, fa tsy voatery ho araka izay niainana azy no anoratana azy fa mety miova.
LB : Misy mpanoratra raisinao ho modely ve ?
RV : Tsy dia manana mpanoratra modely aho, fa misy kosa ny mahafinaritra. Misy vitsivitsy amin'ireo namana mpiraifaribolana tena mba mahafinaritra ahy ny asasorany. Raha ny zoky teo aloha, tsy dia nanao an'ireny hoe "niondana" ireny loatra aho fa izay sendra ahy dia vakiako. Na izany aza, eo amin'ny tantara foronina sy sombintantara dia isan'ny mahafinaritra ahy i E.D. ANDRIAMALALA.
LB : Manahoana ny fahitanao ny fanjifan'ny Malagasy sy fitiavan'ny Malagasy boky amin'izao vanim-potoana mampiroborobo ny teknôlôjia izao ?
RV : Misy ampahan'olona maro ihany eto tia boky ary misy ampahan'olona, somary vitsy kokoa angamba, tia boky malagasy. Ny olana anefa, tsy izy rehetra ireo no maharaka sy mifanerasera ao anatin'ity tontolon'ny haisoratra malagasy ity. Ary vitsy amin'ireo maharaka koa no manana fahefa-mividy enti-manjifa ireo vokatra mivoaka. Olana roa izany no atrehina : ny tsy fahalalan'ny olona ny boky mivoaka sy ny tsy fahafahany ara-bola. Fa tsy maintsy hihatsara ihany ny fitiavantsika Malagasy boky, indrindra ny boky malagasy, satria manomboka mihabetsaka ny boky mivoaka ary efa misy koa ny ezaka fanentanana ataon'ny fanjakana.
LB : Mora ihany ve anefa ny mamoaka boky eto Madagasikara ?
RV : Mbola olana be ho an'ny mpanoratra aty amin'ny tontolon'ny haisoratra ny famoahana boky satria mbola sarotra ny mampifanojo ny mpividy sy ny vokatra. Io no sakana ho an'ny fiaraha-miasan'ny trano mpanonta boky sy mpanoratra, satria tsy sahy miditra lalina ao ny mpanonta boky noho ny tahotra fatiantoka.
LB : Manana torohevitra ve ianao hahatonga ny ankizy sy ny tanora ho tia vaky boky ?
RV : Miainga amin'ny fahazazana tokoa io fitiavana mamaky boky io. Efa tsara ny fanentanana etsy sy eroa fa ilaina koa ny manome fahafahana ho an'ireo tsy afaka mividy boky tahaka ny fanamaroana ireo efitrano famakiam-boky sns. Manana andraikitra koa ny mpanoratra hanoratra boky sahaza ny zaza sy ny tanora mba hitiavan'izy ireny mamaky boky.
Maniry indrindra aho ny hisehatra amin'ny famokarana boky ho an'ny ankizy. Efa an-dalam-panoratana tsikelikely fa mbola tsy tena mazava ny lalan-kaleha aloha hatreto. Manantena fa hisy hanolo-tanana hanamorana ny atao.
Comments