top of page

Adin’i Russie sy Ukraine : Te hamerina an’i URSS i Poutine

Photo du rédacteur: labalisemglabalisemg

Manameloka an’i Rosia, amin’ny ankapobeny, ireo firenena eoropeanina, tahaka izay koa i Etazonia, noho ny daroka baomba nataony an’i Iokrainina, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Tsy maneho hevitra firy kosa ny ankamaroan’ny firenena afrikanina, fa tsy te hiseho hiandany loatra, na amin’ny andaniny na amin’ny ankilany. Raha ny tena marina tokoa mantsy dia sarotra ihany ny toe-draharaha, indrindra raha mandinika ny fifandrohizana misy eo amin’i Rosia sy Iokrainina efa an-taonany maro, na taonjato akory aza. Izay tantara izay indrindra no tsara iverenana, hahafahana mahazo kokoa an’ity ady, izay lazain’ny mpandinika sasany ho efa fiantombohan’ny Ady Lehibe fahatelo ity.



Fanjakana iray ihany

Nanomboka tany amin’ny taonjato faha-sivy ny tantaram-pifandraisan’i Rosia sy Iokrainina. Tamin’izany fotoana izany i Kiev dia ivon-toeran’ny Fanjakana naorin’ireo mpifindra monina avy any Scandinavie. Biélorussie, Russie ary Ukraine no nandrafitra azy io. Rus' de Kiev na principauté de Kiev no anarana niantsoana azy tamin’izany ary io no Fanjakana lehibe indrindra tao Eoropa. Nirodana io fanjakana io tamin’ny taonjato faha-XIII. Marobe ny zava-nitranga teo anelanelan’io ary farany dia lasa teo ambany vahohon’i Pologne i Iokrainina. Saingy nisy ny fikomiana nitranga taty amin’ny taonjato faha-16. Nangataka ny fanampian’i Rosia ry zareo avy ao Iokrainina. Nisy ary ny fifanarahana antsoina hoe : « traité d'Androussovo » tamin’ny taona 1667, teo amin’i Pôlônina sy Rosia, izay nampizara ho roa an’i Iokrainina. I Pôlônina no nitantana ny andrefan’ny firenena raha lasan’i Rosia kosa ny atsinanana. Ny renirano Diepr no mamaritra, amin’ny ankapobeny, an’io fizaràna io. Taty amin’ny taonjato faha-XVIII, nandritra ny fanjakan’i Catherine II, dia lasan’ny rosiana manontolo i Iokrainina. Nanomboka tamin’ny taona 192 moa dia tao anatin’ny Firaisana Sovietika (URSS) tanteraka i Ukraine. Ny taona 1991 izy no nahazo ny fahaleovantenany, rehefa nirodana ny Firaisana Sôvietika. Io fifandrohizana ara-tantara tsy azo lavina eo amin’i Rosia sy Iokrainina io no isan’ny asongadin’i Vladimir Poutine foana sy mahatonga azy hisisika hiditra amin’ny raharahan-tokantranon’i Iokrainina (sy ireo rehetra tao anatin’ny Firaisana Sôvietika) hatramin’izay. Nolazainy fa raha mitambatra i Rosia sy i Iokrainina dia hatanjaka tsy misy toy izany.



Firenena mizara roa


Tsy azo odian-tsy hita fa nisy fiantraikany tany amin’i Iokrainina ny fampizarazaràna azy. Mandrakandroany mantsy dia lasa miandany kokoa amin’i Eoropa ny tapany avaratry ny firenena ary miandany kokoa amin’i Rosia ny ilany atsinanana. Araka izany dia miteny rosiana sy manaraka ny finoana ôrtôdôksa ny mponina any amin’ny ilany atsinanana ary miteny iokrainianina ary mirona amin’ny finoana katôlika ny ilany andrefana. Misy tsy fifanarahana eo amin’ireo mponina ireo. Raha tsiahivina dia nisy hetsi-bahoaka niseho tamin’ny 2014 nataon’ireo manohana an’i Eoropa ka nampiongana an’i Viktor Ianoukovitch, izay filoham-pirenena mitodika kokoa mankany amin’i Rosia. Taorian’izay dia nihetsika ireo mponina tany amin’ny tapany atsinana, tao Dombass, ary nanampy azy ireo ny rosiana. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny Iokrainianina tandrefana sy tatsinanana ka nahafatesana olona manodidina ny 14.000 isa izany. Teo ihany koa no teraka ny repoblika entim-bahoakan’i Louhansk sy Donetsk. Tsara ny mahalala fa manodidia ny 5 tapitrisa ny isan’ny mponina amin’ireo faritra ireo, izay mameno ny 7%-n’ny firenena iokrainianina. Ny alatsinainy hifoha talata lasa teo moa i Vladimir Poutine no nanambara tamin’ny fomba ôfisialy ny fanekeny ny fahaleovan-tenan’ireo faritra roan’i Dombass ireo. Nandefa tafika izy, taorian’izay, izay nambarany fa mba hitazonana ny fandriam-pahalemana any an-toerana. Tsiahivina ihany koa fa nisy ny fifanarahan’i Minsk, izay tokony ho nampitsahatra tanteraka ny fifandonana ao Dombass, saingy tsy nihatra akory izany, raha ny tena marina. Heverina aza fa nandrehitra afo indray ity faneken’i Poutine ny fahaleovan-tenan’i Donetsk sy Louhanks ity.



Te handroaka ny OTAN


Fa ankoatra izay dia misy ny fikasan’ny vondron-tafika iraisam-pirenena na ny OTAN, izay maniry ny hanitatra hatrany ireo firenena mpikambana ao aminy. Taorian’ny faharavan’i URSS tamin’ny taona 1991 ary dia niitatra niantsinanana kokoa ny OTAN, nampiditra tsikelikely an’ireo firenena toa an’i Hongrie sy Pologne ; niitatra hatrany, nihazo an’i Estonie, Lettonie, Lituanie… tonga hatrany Albanie sy Croatie sy ireo firenena hafa akaiky an’i Rosia. Isan’ny tena mampanahy an’i Poutine izany. Voalaza rahateo fa efa nanome teny an’i Mikhaïl Gorbatchev ireo firenena tandrefana fa tsy hanitatra ny OTAN any amin’ny firenena Tatsinanana. Fantatra anefa fa maniry ny hiditra ao anatin’ity vondron-tafika iraisam-pirenena ity i Iokrainina ary izany indrindra no tsy zakan’i Poutine, satria efa tena eo am-baravaran’i Rosia mihitsy, raha izany, ny tafiky ny OTAN. Takian’i Vladimir Poutine, noho izany, ny hanomezan’ny firenena tandrefana antoka fa tsy hampiditra an’i Iokrainina sy Géorgie ao anatin’ny OTAN, ary ny handraiketana izany fifanekena izany an-tsoratra. Takian’i Rosia ihany koa ny hialan’ireo tafiky ny OTAN, izay mitoetra maharitra any amin’ireo firenena izay niditra ho mpikambana ao anatiny, taorian’ny taona 1997. Tanjon’i Poutine amin’izany ny hanalaviran’ny tafika amerikanina ny sisin-taniny sy ny hampodian’i Etazonia ireo misila napetrany any Eoropa. Nanomboka tamin’ny taona 2020 anefa dia miaraka matetika amin’ny tafiky ny OTAN amin’ny fanazaran-tena ataony ny tafika iokrainianina. Toa fihantsiana azy no nandraisan’i Poutine an’izany. Ny fanazarana farany nataon’izy ireo niaraka, izay manakaiky ny Ranomasina Mainty, no nampihetsika indrindra ny hambom-pon’ny filoham-pirenena rosianina.



Manina ny Firaisana Sôvietika


Rehefa zohina izany rehetra izany, dia ny hamerina indray ny habe, ny lanja sy ny tanjak’i Rosia fahiny no tena nofinofin’ingahy Poutine. Aminy mantsy, ny firodanan’ny Firaisana sôvietika no isan’ny zava-doza indrindra ara-jéopôlitika. Izany indrindra no mahatonga azy te hamerina an’izany atao hoe : URSS izany. Tsiahivina fa talohan’ilay hetsika tao Dombass dia efa norombahin’i Rosia tamin’ny alalan’ny latsa-bato ihany koa i Crimée, izay an’i Iokrainina, any amin’ny Ranomasina Mainty. Tamin’ny taona 2014 no natao io latsa-bato io ka ny 96,6 %-n’ny mponina ao no nanaiky fa miraiki-po amin’ i Rosia. Tsy i Iokrainina ihany anefa akory fa ireo firenena rehetra mpikambana tao anatin’ny Firaisana Sôvietika taloha no irian’i Poutine mba hitodika amin’i Rosia avokoa, saingy betsaka amin’izy ireo no efa miara-dia amin’ny firenena tandrefana. Izany, ohatra, no nahatonga an’i Rosia nanana disadisa tamin’i Géorgie, tamin’ny taona 2008, rehefa namosaka ny faniriany hiditra ao anatin’ny OTAN sy ny fianakaviam-be Eoropeanina ity firenena ity. Hatramin’izao moa dia mbola eo am-pela-tanan’i Rosia i Abkhazie sy Ossétie-du-Sud.



Ireo fiantrakan’ny ady aty Madagasikara


Misimisy ihany ireo milaza fa fiantombohan’ny ady lehibe fahatelo ity zera baomba nataon’ny rosianina tao Iokrainina ity. Tsy misy maniry ny ho tonga amin’izany anefa, na dia ireo firenen-dehibe efa nanana disadisa tamin’i Rosia hatramin’izay aza, toa an’i Etazonia. Ankivy ara-toekarena no tena tetik’ady tian’izy ireo hirosoana, mba hahakofona tanteraka ny toekarena rosianina, ka hiverenan’i Vladimir Poutine amin’ny “fanjanahana” tiany atao amin’i Iokrainina. Ireo firenena madinika toa an’i Madagasikara ihany koa dia efa sempotry ny fahantrana iainany rahateo. Raha ny ara-diplaomatika izany dia tsy misy loatra ny fiantraikany, na eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara amin’i Rosia, na eo amin’ny fifandraisany amin’i Iokrainina.


Ny fifanakalozana ara-barotra no mety ho voatohintohina, saingy tsy isan’ireo mpamatsy matanjaka an’i Madagasikara i Iokrainina, na nisy aza ny fifandraisantsika matotra tamin’ireo firenena tao anatin’ny Firaisana Sôvietika tany amin’ny Repoblika Faharoa. Ankoatra izay kosa dia efa nahitana fiakarany ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, raha vao nipoaka ny ady teo amin’i Rosia sy Iokrainina. Efa mihoatra ny 100 dôlara ny “baril” ankehitriny. Ahiana ny fiantraikan’izany mafy aty amin’ny tsena anatiny, nefa ny voka-dratsy ara-toekarena nateraky ny COVID-19 aza mbola tsy tafarina akory.

Ny fampodiana ireo tera-tany Malagasy mianatra sy miasa any an-toerana koa no tsy misy fijerena manokana tahaka izay ataon’ireo firenena Eoropeanina, noho ny fahavitsiany angamba. Tsy ananana moa ny antontan’isa fa heverina ho manodidinan ny 76.000 isa ireo tera-tany afrikanina monina any Iokrainina, ka mpianatra no ankamaroan’izy ireo ary ny fitsaboana no tena lalam-piofanana arahin’ny maro.


2 vues0 commentaire

Posts récents

Voir tout

Comentarios


Formulaire d'abonnement

Merci pour votre envoi !

© 2022 par La Balise MG. Créé avec Wix.com

bottom of page