Fahombiazana ho an'ny Ankoay ny andro androany, alahady 07 aogositra 2022. Lalao faharoa no sady fandresena faharoa no azon'ny Ankoay ao amin'ny vondrona A misy azy. Hafaliana no hita teo amin'ireo mpanohana ny ekipam-pirenena Malagasy, tetsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy fanatanjahantena etsy Mahamasina, raha nandavo an'i Alzeria tamin'ny isa 55 no 49 ny Malagasy.

Crédit photo : Fédération Malagasy de Basket-ball
Tsara ny endri-dalao nasehoan'ny Ankoay dieny nanomboka ny lalao. Nipetraka tsara ny paikady sy toromarika nomen' ny mpanazatra Aimé "Mémé" Randria. Somary sahirana ny alzerianina nanoloana an'i Mathias M'Madi, izay voasalotra ho mpilalao nahafaty baolina betsaka indrindra (20 isa) sy Landric Donovan Rakotonanahary (18 rebonds) izay nanao totoafo tamin'ny fanafihana, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Na izany aza, minitra vitsy tsy hidirana tamin'ny fialan-tsasatra dia tafiditra tanteraka tao anaty lalao i Alzeria.

Crédit photo : Fédération Malagasy de Basket-ball
Teo amin'ny fizaram-potoana faharoa dia nikorontana ny Malagasy. Maro ireo baolina very ka nanararaotra ireo fahadisoana nataon'ny Ankoay i Alzeria. Niady dia niady tanteraka ny lalao ary samy niaina tebiteby, na ireo mpilalao, na ireo mpijery tetsy Mahamasina. Tapitra ny lalao ka 55 no 49 ny isa nisarahana nisoratra teo amin'ny fafana. Raha ny antontanisa voaray dia nanjakan'ny alzerianina ny teo anivon'ny "rebond". Miisa 50 ireo verin'ny Ankoay raha 60 kosa no azon'ny mpifanandrina taminy nandritra ny lalao. 31,25% kosa ny tifitra tafiditra nataon'ny Ankoay raha 19,44% izany ho an'i Alzeria.
Hihaona amin'i Sénégal ny Ankoay ny alatsinainy 08 aogositra izao, amin'ny 5ora sy sasany hariva. Tanjona amin'ity lalao manaraka ity moa ny hahavoalohany azy ireo ao amin'ny vondrona A.

Crédit photo : Fédération Malagasy de Basket-ball
Comments