Ho an'ny sokajy vavy U-18 dia nomontsanin'ny Ankoay ireo tovovavy mandrafitra ny ekipam-pirenena alzerianina, tao amin'ny kianja mitafo ao Vatofotsy Antsirabe. Niondrika tamin'ny isa 59 no 43 i Alzeria.

Crédit photo : Fédération Malagasy de Basket-ball
Nanatsara ireo lesoka hita tamin'ny lalao voalohany ny mpanazatra, Bayard Razafindralambo sy ny Ankoay, androany alahady. Tsiahivina fa niondrika tamin'ny isa 59 no 54 ny Ankoay, ny sabotsy lasa teo, raha nifanandrina tamin'i Ouganda. Nampiseho endri-dalao misosa tsara i Marion Fitia Rasolofoson sy Nomenjanahary Mihantatiana Andrianjafy. 34,38% ny salanisan'i Madagasikara teo amin'ny tifitra raha 20,78% ho an'i Alzeria. 18 kosa ny isan'ireo baolina very ho an'ny Ankoay

Crédit photo : Fédération Malagasy de Basket-ball
Hihaona amin'i Mali, izay voasokajy ho "favori" ao anatin'ny vondrona A ny Ankoay, ny alatsinainy izao, amin'ny 3 ora tolakandro. Tsiahivina fa nomontsanin'ny malianina 100 no 40 i Ouganda.
Araka ny fanehoan-kevitra ataon'ireo mpanara-baovao dia mampiseho fahavonona foana ny Ankoay lahy sy vavy isak'ireo lalao ataony. Mahabe fanantenana ny fahaiza-manao ananan'ireto mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy ireto.

Crédit photo : Fédération Malagasy de Basket-ball
Comentarios